Entrée | 1 Ny herin' ny Fahatsiarovana |
Mots élémentaires | 2 hery, 3 fahatsiarovana |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Rajemisa-Raolison Régis |
Texte complet |
7 Indrisy! nahoana, hono, lahy! 8 Matetika raha eto an-tany, 9 Tsy mety ny fo sy fanahy 10 Fa miherika ny andro efa lany, 11 Ka zavatra sendra voatsiahy, 12 Miserana fotsiny ihany, 13 Miteraka sento tsy nahy, 14 Indraika aza mampitomany? 15 Indrisy! nahoana, hono, mantsy 16 Ny andro mihelina itony, 17 Mitondra ny soa sy ny ratsy, 18 Tsy lasa dia tsy hita intsony 19 Fa mbola mazàna mihantsy 20 Ny olona hitondra lonjony, 21 Mametaka tombokavatsy 22 Tsy maty ao anatin' ny fony? 23 Indrisy! nahoana, hono, manko 24 Ny omaly tsy lasa dia miery, 25 Fa mbola mimpody malako 26 Toa maso mangala-pijery, 27 Toa feo averin' ny ako, 28 Miverina tsy misy very 29 Ka lasa vao manakotsako 30 Toa embona entina irery? 31 Indrisy! nahoana? - Satria, 32 Satria ny olon-drehetra 33 Natao ho faly doria, 34 Kanefa natao misy fetra: 35 Ny fony natao te-ho tia 36 Kanefa arahin' ny tsetra; 37 Ny Omaly sy Anio miara-dia, 38 Ny Omaly no mahery setra! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |